If [Malagasy translation]

Songs   2024-11-16 13:25:40

If [Malagasy translation]

Vitanao ve ny tsy mitsahatra misaina rehefa very hevitra ny rehetra manodidina,

Ka hianao no soketainy ho mahaveri-hevitra azy?

Vitanao ve ny mbola mahatoky tena rehefa tsy mino anao intsony ny olona rehetra,

Fa tsy hodian-tsy hita kosa izany tsy finoany izany?

Vitanao ve ny maharitra miandry ka tsy reraka na sasatra eo am-piandrasana eo,

Na hosoran'olom-potaka ka tsy manosi-potak'olona?

Vitanao ve ny hankahalain'olona kanefa tsy mivari-lavo mankahala azy koa,

Ary tsy manamboni-tena, na koa mihambo ho hendry?

Vitanao ve ny mamolavola nofy, ka tsy baikoany hianao fa mibaiko azy kosa?

Na mandalina eritreritra, fa tsy mihanina amin'izany?

Vitanao ve ny miatrika 'reo mpisandoka, dia i Rafahombiazana io sy koa Rafahavoazana,

Ka fihetsika mitovy no samy hasetry azy ireo?

Vitanao ve ny mandre ny zava-marina izay ninoanao tanteraka sy naloaky ny vavanao,

Ahodin-jiolahy ho fandrika hamitahana ny bado?

Vitanao ve ny mijery ireny zavatra nanokananao fiainana, torotoro sy voapotika,

Ka manamboatra azy rava, amin'ny fiasana konka?

Vitanao ve ny manambatra ho toko iray ny harinao rehetra hatramin'ny niainanao,

Ka hatao fanambin-kilalao indray mipoaka izy ireo?

Vitanao ve, raha resy amin'ny fanamby, ny mamerina amboalohany izay vitanao rehetra,

Ka ts'isy sento na toloko momba 'zay fahavoazanao?

Vitanao ve ny manery 'zato taolana ombàn'ireto nofonao ary koa ny hozatrao,

Hanefa izay anjaranao rehefa drodroka izy ireo?

Vitanao ve ny manohy hatrany foana rehefa ts'isy izay tavela ao anatinao ao

Afa-tsy Herin-tsaina mihiaka : " 'Ndeha hanohy tsy an-kijanona !"

Vitanao ve ny miresaka amin'ny olon-tsotra ka mitàna ny hajanao ary koa ny hasinao,

Na miaraka amin'ny Manjaka ka mijanona ho olon-tsotra?

Vitanao ve ny tsy mety ratrain'olona, na fahavalo mankahala na sakaiza tena tia,

Na manome hasina ny rehetra fa ts'isy ny homena tafahoatra?

Vitanao ve ny mameno tena feno ilay iray minitra kely tsy mba azo ivalozana

Amin'halaviran-dàlana ampy sekondra enim-polo?

Raha vitanao izany, dia anao tokoa tokoa ny Tany Manontolo sy 'zay rehetra eo aminy

Ary, mihoatra noho izany, dia ho Olombelona tokoa h

See more
Rudyard Kipling more
  • country:United Kingdom
  • Languages:English
  • Genre:Poetry
  • Official site:
  • Wiki:http://en.wikipedia.org/wiki/Rudyard_Kipling
Rudyard Kipling Lyrics more
Rudyard Kipling Featuring Lyrics more
Rudyard Kipling Also Performed Pyrics more
Excellent Songs recommendation
Popular Songs
Copyright 2023-2024 - www.lyricf.com All Rights Reserved